Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo

Apokalypsy 12:7-13
7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, 8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. 9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. 10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. 11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza. 12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. 13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Apokalypsy 12:7-13

Mampieritreritra sady mampatahotra tokoa izay voalaza eto amin’ny and. 12 : « loza ho an’ny tany… fa nidina any aminareo ny devoly sady manana fahatezerana Iehibe ». Eo anatrehan’izany dia :

1 – Mivonona hiady amin’ny devoly

Tokony ho ao an-tsaina fa tsy i Mikaela sy ny anjeliny ihany no mila miady fa isika koa. Misy tononkira maromaro mihitsy ao anaty fihirana manondro ny kristiana ho toy ny miaramila koa ilaina ny miomana sy mivonona miady. Misy loza mihatra mantsy ny fiainana araka ny voalaza teo ambony, tsy azo tsinontsinoavina velively izany. Ho ao an-tsaina koa anefa fa tsy vitan’ny herin’ny olona samy irery ny miatrika izany koa ilaina indrindra ny mangataka hery avy amin’Andriamanitra, toy ilay nananan’i Mikela sy ny namany hahafahana mandresy.

2 – Mitandrina ny didin’Andriamanitra

Mety tsy hanana fanomezam-pahasoavana ho tonga mpiandry avokoa ny olona rehetra. Izany anefa tsy midika hoe meneke horesen’ny devoly fa tsy maintsy miady hatrany. Mety misy fotoana hiadivanao miaraka amin’ny olona hafa, mpiandry ohatra, fa mila miomana koa anefa hiatrika ady irery. Izao no lazain’i Jesoa Kristy : « ny zavatra rehetra hain’ny mino » (Mar. 9:23) Koa manàna finoana aloha, tena zava-dehibe izany ary ambonin’izany, ny mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny mitàna ny filazana an’i Jesoa Kristy dia afaka hanohitra ny devoly.

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM