Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Romana 13.11-14
11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana. 14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Romana 13.11-14
Miomana hanana anjara amin’ny famonjena
1-Misaraha amin’ny aizina sy ny alina
Eo amin’ny and. 12 dia misy izao : « Efa ho lasa ny alina …aoka hariantsika ny asan’ny maizina« . Ankehitriny dia hoharina indrindra amin’ny maizina na ny alina izay anjakan’ny ratsy toy ny filalaovan-dratsy, ny fahamamoana, ny fijangajangana… Izany sy ny hafa tsy voatanisa fantatry ny maro dia mamatotra ny olona ka mahatonga azy hiaina ao anaty aizina. Ho an’izay mieritreritra hanana anjara amin’ny famonjena ao amin’i Kristy kosa anefa dia ireo izay mihevi-tena ho kristiana. Tadidio fa tsy enti-poana izany anarana izany fa tsy maintsy manapa-kevitra misaraka amin’ny maizina (jereo Jao 3.19).
2-Raiso sy iaino ny mazava
And. 13, « aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro ». Ny ambara amin’izany dia ny fiainana izay zava-misy rehetra ao amin’ny mazava. Ny zavatra voalohany takiana amin’izany dia ny fananana sy fitafiana an’i Kristy, izany hoe: mampiditra an’i Kristy ao aminy, manao ny asan’i Kristy, mandeha amin’ny làlan’i Kristy. Amin’ny teny hafa, miezaka manatanteraka izay voalaza ao amin’ny Efes. 5.8-11. Mety mandeha ho azy ny fitenin’olona hoe: izaho efa mpandray ny Fanasan’ny Tompo, nefa aoka handini-tena tsara izy fa izao no lazain’i Paoly : « izay manao azy fa efa mijoro tsara dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (1Kor. 10.12)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM