Miantsoa fanafahana avy  amin’ ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin' ny Tompo 

Salamo 144.6-11
6 Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo; 7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena, 8 Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka. 9 Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao, 10 Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra. 11 Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;

Miantsoa fanafahana avy  amin’ ny Tompo 

Salamo 144.6-11

Misy  ady sarotra  atrehan’ny mpanao salamo  eto ary rehefa miady izany dia tsy maintsy manantena fandresena hatrany. Ny hery na ny paikady hahafahana mandresy no tsy maintsy  apetraka tsara. Ny  mpanao Salamo àry dia:

1-Niandrandra ny fanampian’ Andriamanitra 

Hasehony sy haverina indroa ny zava-tsarotra hatrehany : « afaho aho ka vonjeo amin’ny  tànan’ny fahavalo ». Milaza izany fa manankery ny fahavalony ka tsy azo tsinotsinoavina fotsiny. Ny fanehoana ny tànana ankavanana mamitaka eto dia filazana  fa tena mamotika mihitsy izy fa tsy  hisomonga  fotsiny, raha tokony ho fanampiana sy fiarovana no azo avy amin’ny tànana ankavanana (jereo Isa. 41.10). Tsy  mihevi-tena ho inona ny  mpanao salamo  hahatohitra izany ka miandrandra indrindra ny fanamian’ Andriamanitra miantso ny mpamaky koa izy hanao  tahaka azy.

2-Midera an’ Andriamanitra

Toe-javatra fanao sy mivelatra ao  amin’ny Salamo ary  ampianarin’ny mpanao  salamo ny mpamaky indrindra ny  fiderana an’ Andriamanitra. Raha ny  marina, ny  sehatra misy  eto  dia ao  anaty ady  kanefa  hasehon’ny mpanao salamo  fa tsy  ny fisian’ny  ady  akory no ilazana hoe: sahirana be, dia tsy hanam-potoana hiresahana sy hiderana an’Andriamanitra. Ny  mifanohitra amin’izany aza no hatao, tena midera an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ka mino, fa io Andriamanitra io   dia mahafantatra  izay  tokony  hanampiana  izay  rehetra  matoky Azy. Mitaona antsika hametraka  ny fiainana amin’izany  na inona na inona mitranga.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM