Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Martsa 2025
2 Petera 3.5-10
2 Petera 3.5-10
5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, 6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; 7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, 10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo
1. Tsy tiany hisy ho very ny mpino
Ary hotoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra (Mat 24.14). Tian’Andriamanitra mba samy hahare ny filazantsara avokoa ny olona rehetra ka tsy tiany hisy ho very mandrakizay. Izy dia tia ny olona rehetra; eny fa na dia ny ratsy fanahy aza dia tsy sitrany ny hahafatesany; fa ny mba hiala amin’ny ratsy fanaony (Ezk 33. 11). Izao anefa no tokoky ho tsarovana ry Havana: tsy hoe ho voavonjy avokoa ny olona rehetra; fa mampalahelo fa ho very mandrakizay ireo mandà ny fahasoavany sy ny famonjeny.
2. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo
Ny andron’ny Tompo eto dia entina ilazana ny fahatanterahan’ny andro lehibe handravana izao lanitra sy tany izao; amin’ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka ho soloina lanitra vaovao sy tany vaovao (Apok 21-22). I Joela mpaminany dia milaza hoe: « indrisy ny andro; fa efa antomotra ny andron’i Jehovah; ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny » (Joe 1.15). Tsy fantatra izay hanombohan’ny andron’ny Tompo, ary ho tampoka tokoa ny hiaviany. Izao ny voasoratra amin’ity perikopa ity « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo ». Tsy manome daty ny amin’ny fotoana hiverenany ny Tompo, fa mampiomana antsika kosa ka miantso antsika hibebaka. Fotoana mety izao; fa rehefa tonga izany fotoana izany dia ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra; (masoandro sy ny volana ary ny kintana) ka ho dorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy (and-10). Mibebaha; miantso anao ny Tompo, havako.
Fanontaniana:
Antomotra ny andro, vonona hibebaka ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe