Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 20 Martsa 2025

Sal 33. 1-5 / Hira 543: 1 / Mofonaina / Vavaka

Asan'ny Apostoly 8. 18-24
18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy 19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. 20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. 23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. 24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.

Raha nahita ny fametrahan’ny Apostoly tanana sy ny nanomezana ny Fanahy Masina i Simona (mpanao ody) dia noheveriny ho azo vidiana, ka hoy izy hoe « Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy masina, izay olona hametrahako tanana » (and-19). Mety maro amintsika ny manameloka an’i Simona mpanao majika, noho izy nikasa hividy ny herin’Andriamanitra, kanefa mety manao izany fahadisoana izany koa isika rehefa mihevitra fa mety hahazoantsika sitraka eo anatrehan Andriamnitra izay ataontsika na izay omentsika. Anton-javatra diso no manosika antsika hikatsaka fanomezana avy amin’Andriamanitra. Fotoam-pibebahana izao, fa ny fahadisoan-kevitra dia mety hahavery. Hoy mantsy ny voasoratra eto: « Aoka ho very mhamin’ny tenanao sy ny volanao » (and-20)

« Koa mibebaha amin izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao » (and-22). Ny herin’ny Fanahy Masina no nahitan’i Petera fa mbola feno fangidiana sy voafatotry ny fahotana ny fon’i Simona. Nanome fotoana hibebahan’i Simona i Petera, satria mba tsy ho tahaka an’i Ananiasy sy Safira (5. 5-10). Tantara miseho eo amin’ny fiainam-pinoan’ny mpino koa izao nataon’i Simona izao indraindray, Mibebaka anefa ny faharatsian-toetra tsy foy ialana. Tsy maintsy mianatra avy amin’ny fahadisoan’i Simona ny fiangonana, ka hijoro eo amin’ny toeran’i Petera. Miala amin’ny faharatsiana fa miroso kosa amin’ny fibebahana.

Mba manaiky hiala amin’ny faharatsiana ve ny olona mibebaka?