Miantso antsika ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 24 Martsa 2025
Sal 97. 1-5/Hira 382: 1/ Mofonaina/Vavaka
Lioka 3. 7-14
7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo. 10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay? 11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy. 12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay? 13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.Miantso antsika ny Tompo
1. Ho amin’ny fibebahana marina
Eto dia mahatsapa ireto vahoaka ireto fa tsy mendrika teo anatrehan’Andriamanitra, ary mieritreritra izy ireo fa tsy maintsy ho avy aminy ny fahatezeran’Andriamanitra. Nambaran’i Jaona fa mila mamoa voa mendrika ny fibebahana raha te ho voavonjy, Atao amin’ny fahamarinana fa tsy endrika ivelany fotsiny akory. Aoka tsy ny fanananao an’i Abrahama ho rainao no heverinao hahavonjy anao, fa ny fahamarinan’ny fibebahana ataonao. Miandry anao ny Tompo, Ilay maty, nitsangana tamin’ny maty ho famonjena antsika, miantso anao hibebaka marina. Tsarovy fa tsy misy marina na dia iray aza isika, koa mahereza, tanteraho ny fibebahanao.
2. Maneho fahavonana ahitsy, hiova, mandray izay tandrify ny tena
Ny zava-nisy izay nanaitra eto, raha vao niteny i Jaona dia nametra-panontaniana ny momba ny tenany sy ny fiainany ny vahoaka ka nanao hoe: « Inona ary no hataonay » (and10,12,14). Hita taratra amin’izao fanontaniana izao ny fahavononana, hibebaka, sady hiova toetra, arahana hetsika fa tsy fihetseham-po mandalo. Tsy fibebahana endrika ivelany fotsiny no ateraky ny Tenin’Andriamanitra fa fibebahana tandrify ny toetra sy ny fiainana ary ny asan’ny tsirairay. Ny fibebahana dia miteraka fiovana ho amin’ny tsara eo amin’ny fitondran-tena sy ny asan’ny tena manokana (Jak 3.13,17;18). Koa mitafia ary fahavononana, meteza hahitsin’ny tenin’ Andriamanitra, ho amin’ny fiovana ary raiso ho famonjena ho anao ny tenin’ Andriamanitra izay tandrify ao.
Fanontaniana:
Efa mba nanaiky ho hahitsin’ny Tenin ‘Andriamanitra ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe