Miantso antsika handray ny fahasoavany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Febroary 2017
Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
ISAIA 55.1-5
1 [Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. 2 Nahoana ianareo no mandany* vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja] 3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa at? amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida. 4 Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena. 5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.Miantso antsika handray ny fahasoavany ny Tompo
Indraindray dia misy olona mihevi-tena ho voailikilika sy anjorombala . Ka izany no hanamafisina eto fa :
1-Ny olona rehetra no antsoina (and1)
Miantso izay mangetaheta sy noana Izy . Ary na dia izay mahantra sy tsy manambola aza dia afaka manakany fa tsy mba vidim-bola izany . Ny fanomezan-toky momba ny fiainana mandrakizay no ambara mandrakizay no ambara amin’izany . Na dia izay rehetra mihevi-tena ho tsy mendrika sy mpanota indrindra aza dia afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .
2-Ilaina ny fibebahana (and2)
Na dia malalaka sy tsy avahana toy izany aza ny fanasana dia ilàna fibebahana kosa ny fandraisana izany : tsy mandany vola amin’izay tsy hanina , nany vokatry ny fisasarana amin’nyizay tsy mahavoky . Ny tena fahadisoana dia izao : mitady an’ Andriamanitra ny olona kanefa tsy vonona hibebaka , ary mandany herimpo mitady fiadanana , kanefa tsy vonona handray an’i Jesoa ao am-pony . Izay rehetra hanana anjara ao amin’ny fanjakan’ny Andriamanitra dia tsy maintsy hihaino sy hankato izay lazain’ny Tenin’ Andriamanitra ka hibebaka , arakany voalaza hoe : « Mankanesa aty amiko ianareo ka manongilàna sofina , henoy Aho dia ho velombelona indray ny tenanareo » (and3) (DIEM) .
Fanontaniana :
Efa nandray an’i Jesoa ho ao am-ponao tokoa ve ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM