Miantso anao hanatona Azy i Jesoa

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Jolay 2021

Jaona7. 37 - 43

Jaona 7,37 - 43
37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] 40 Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. 41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy? 42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)? 43 Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.

Miantso anao hanatona Azy i Jesoa

1- Mandrenesa

Voalaza eto fa tsy mba bitsibitsika akory no nataon’i Jesoa fa antso natao ho ren’ny rehetra izany rahateo no nahatonga Azy « nitsangana ». Ny hevitra ao ambadik’izany dia hoe miantefa amin’ny rehetra, ny sokajin’olona na sarangan’olona rehetra ny antsoin’i Jesoa, tsy misy tokony hihevi-tena ho tsy mba antsoiny, na ihany koa tsy mba tolorany famonjena. Ny hevitry ny hoe mangetaheta mantsy eto dia sary an’ohatra, tsy tena rano loatra fa ny Famonjena omen’i Jesoa, ny Fanahy Masina omen’i Jesoa izay mandre ny antso ka ka manatona Azy. Ianao koa, sahy milaza ve ianao fa tsy mbola nandre ny antson’i Jesoa mihitsy ? Firy taona ianao izao, im-piry mamaky Soratra Masina ianao? im-piry mandre Toriteny ianao? dia mbola hilaza ho tsy nandre ny antson’i Jesoa ve ? ireny anefa no hiantsoan’i Jesoa, mandrenesa amin’izany ary !

2- Minoa dia manatona

Rehefa nandre an’i Jesoa ny olona dia samy hafa ny akony tamin’izy rehetra. Samy hafa ny fiheveran’izy ireo ny amin’ny hoe : Iza marina ary ity Jesoa ity ?. Ny sasany nihevitra fa Mpaminany Izy ary tsy diso izany, ny sasany nahatakatra fa io Jesoa io mihitsy no Kristy, na Ilay voahosotra hitondra famonjena ho an’ny Jiosy sy ho an’izao tontolo izao. Nisy koa anefa nanamaivana, ary nisy nitady hisambotra an’i Jesoa. Mahagaga fa i Jesoa vonona hanolo-java-tsoa, hitondra famonjena fa ny olona indray no toa miavona sy tsy mandray. Ho anao kosa, rehefa mandre an’i Jesoa miantso, valio Izy, manatona Azy, fa izay mino hoy i Jesoa dia « hisy onin’ny ranovelona miboiboika ao an-kibony », ny hevitr’izany dia hoe hahazo ny Fanahy Masina. Aza ho isan’izay misalasala !

Fanontaniana:

Efa nahatsiaro nandre ny antson’i Jesoa ve ianao ? Nanao ahoana ny akon’izany ho anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM