Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 20.6-9
6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana. 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. 8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro, 9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 20.6-9
Mialoha sy aorian’ny ady ataon’ny vahoaka voafidy dia manandratra vavaka izy ireo . Ity Sal 20 ity , ohatra no fanao alohan’ny ady raha toa ka ny Sal 21 no fisaorana aorian’ny ady . Aseho fa an’ Andriamanitra ny ady fa ny mpanjaka dia mpitarika ary ny vahoaka no miaramilany .
Jehovah no Mpamonjy
1-Ho an’izay matoky Azy
Ny famonjena ambara amin’ity toko ity dia fandresena amin’ ny ady amin’ny fahavalo . Ny mpanjaka izay misolo tena ny vahoaka manontolo no miantehitra amin’i Jehovah . Ny fahefana rehetra izay misy na ara-piaraha-monina na ara-politika dia samy manaiky fa tsy noho ny tanjaka manokan’ny tena na noho ny traikefa amin’ny ady na ny fahaizana ara-diplomatika no mitondra fandresena fa ny fatokiana an’ Andriamanitra irery ihany . Ataon’ Andriamanitra miavaka amin’ny manodidina izay matoky Azy . Miantso ny mpitondra rehetra hiantehatra amin’ Andriamanitra .
2-Ho an’izay mangataka Aminy
Vavaka no ifampiresahan’ny vahoaka voafidy amin’i Jehovah Mpamonjy . Ny and 9 dia midika koa hoe: »omeo fandresena ny mpanjaka, ka mamalia anay« . Ny fifandraisana tsy tapaka amin’ Andriamanitra no antoky ny fandresena . Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka no hamaly ka hitondra fandresena tsy ho an’ny mpanjaka ihany fa ho an’ny vahoaka iray manontolo mihitsy . Latsaka an-katerena ny firenentsika , andeha isika hitalaho famonjena amin’ Andriamanitra Mpamonjy antsika izay manome fandresena .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM