Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Deoteronomia 2.26-37
26 Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe: 27 Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; 28 vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho 29 (araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay. 30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao. 31 Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny. 32 Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza. 33 Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika. 34 Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza. 35 Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo. 36 Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika. 37 Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Deoteronomia 2.26-37

Ny vavolombelona miandry  ny  Tompo  dia:

1-Mankato  ny baikon’ny Tompo 

Tantaran’ny fisantaran’ny Zanak’ Israely  ny fandovana   ny tany Kanana , ka nandreseny  an’i  Sihona mpanjakan’i  Hesbona  ity hita  eto ity  . Rehefa  avy nivezivezy  38 taona tany anefitra  ny  Zanak’ Israely (an14) dia nodidian’Andriamanitra hisantatra ny fandovana  ny  tany Kanana (and24), saingy nanome  baiko koa ny Tompo  tsy hikasihana  ny tanin’i Amonita  izay  taranak’i Lota (and19.37) ary  dia notanterahan’izy ireo  antsakany sy andavany  izany .  Fahendrena  teo  amin’ny fifandraisana  samihafa  na tamin’ Andriamanitra  na tamin’ny vahoaka na tamin’ny firenen-kafa  no nananan’i Mosesy  . Tokana ihany  no nibaiko  azy dia hoe koa : izay miandry  ny Tompo  dia  tsy  maintsy mankato  ny Teniny .

2-Mahazo fandresena  lehibe

Ankoatran’i Hesbona  dia tanàna  maro  no afaky   ny zanak’ Israely   hatrany  Gileada , satria momba azy ireo  Andriamanitra . Tsy tahaka ireo  ray aman-dreny  izay ambaran’ny Soratra masina hoe: »taranaky ny ratsy fanahy » (Deo 1.44) sy  tsy nandova  ny tany Kanana (Deo 2.15). Noho  izany  dia zava-dehibe  ny fiandrasana ny  Tompo  sy ny fatokiana  azy  , indrindra manoloana ireo  ady samihafa  izay hatrehantsika kristiana . Antoka fa  hampandresy  antsika  izao teny izao .

Fanontaniana:

Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM