Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Zefania 3.14-20
14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina] 18 Hangoniko izay manina* ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy**. [*Na: efa lavitra] [**Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny] 19 Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra] 20 Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Zefania 3.14-20
Ho avy ny Mesia
1-Hampody ny fifaliana (and 14-17)
Na dia mitsara sy manasazy aza Andriamanitra , dia aseho kosa fa hifarana sy hitsahatra izany ka ny fahavalo sy ny loza hisolo fifaliana lehibe . Mitodika amin’ny firenena voafidy ny fifaliana tahaka ny ao amin’ny Zakaria 9.11. Hiverina amin’ny laoniny ireo fombam-pivavahana samihafa , izay tsy afaka natao fony babo , nefa loharanon’ny fifaliana sy ny fiderana an’ Andriamanitra . Omen’ Andriamanitra fahafaham-po mihitsy izy ireo , ka faly sy ravoravo amin’i Jehovah (Ampitahao Deo 30.9) . Mety mihitsy ny mifaly sy midera an’ Andriamanitra amin’izao fitsenana ny fahatongavan’ny Noely izao .
2-Handray an-tànana ny vahoakany (and18-20)
I Zefania dia niezaka namaly ny fanontaniana hoe:miraharaha ny olona ve Andriamanitra ? Ambaran’i Jehovah mazava fa : hangoniko , hasiako , hovonjeko , hovoriko , hataoko , hitondrako ,hampodiako. Midika izany fa Izy Andriamanitra mivantana mihitsy no handray an-tànana ny fanarenana indray ny fiainan’ny vahoaka babo . Hitondra fanafahana tanteraka no hahatongavany . Tao amin’i Jesoa Kristy rahateo no fahatanterahan’ny Lio 4.8 fa « hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy sy fampahiratana ny jamba , hanafaka izay nampahoriana »
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM