Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Apokalypsy 22.16-21
16 Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro. 17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. 18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; 19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. 20 Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo! 21 Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy* Tompo. Amena. [* Na: (Jesosy Kristy)]Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Apokalypsy 22.16-21
Ny fiavian’ny Tompo
« Eny avy faingana Aho » and 20
1-Teny fampanantenana
Antso ho amin’ny fitsaharana ny ambara eto . Ny fiombonan’ny mpino na ny fiangonana tahaka ny vady ampakarin’i Kristy no miantso fitsaharana ka tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fahoriana . I Jesoa , Ilay Andriamanitra faka sy taranaka avy amin’i Davida , ho kintana mamirapiratra mandrava ny alina ary hanambara ny maraina vaovao eo amin’ny fiainan’ny mpino. Fanantenana ny amin’ny ho avy any am-parany izany . Fanantenana hahafaka hetaheta ho an’ny fanahin’ireo mpino izany , dia ny hisotro ny onin’ny ranonainan’ny fiainana mandrakizay ( ampitahao 22.1; Isa 55.1-2).
2-Teny fampitandremana
Tafiditra eo anelanelan’ny fampanantenan’i Kristy ny fampitandremana nataon’i Jaona (and18-19) . Mpanoratra fotsiny ihany anefa i Jaona fa ny Tompo mivantana mihitsy no efa nilaza izany hatry ny ela (Deo 4.2;Jer 26.2) . Ambara eto ny fahefan’ny faminaniana amin’ny teny koa tsy azo ovana , na hanalana , na hanampiana izany .Mifampiankina tanteraka ny famonjena sy ny fiankinana amin’ny Tenin’ Andriamanitra . Izay maharitra hatramin’ny farany amin’ny Teny no hovonjena .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM