Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Romana 8.18-25
18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Romana 8.18-25
Ny Voninahitra omen’ny Tompo ny mino (and18)
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra . Tsy azo lavina izany . Ny Tompo koa anefa dia niteny fa « izay manome voninahitra Ahy no omeko voninahitra » (1 Samoela 2.30) . Ny voninahitra omen’ny Tompo dia:
1-Voninahitra lehibe
« Tsy tokony oharina no ilazana ny fahalehibiazan’ny voninahitra atafin’ny Tompo izay rehetra maharitra amin’ny finoana Azy . Tsy misy azo ampitahaina na ampitoviana lanja amin’izany voninahitra izany . Tsy toy inona akory ny vesatry ny fahoriana iaretan’ny mpino raha oharina amin’ny voninahitra omen’ny Tompo azy . Ireo Apostoly dia sahy nilaza fa satroboninahitra tsy mety lo no miandry ireo izay maharitra amin’ny finoana ny Tompo (1 Kor 9.25;Jak 1.12;1 Pet 5.4).
2-Voninahitra aseho
Hoy ny voalaza eto :« amin’ny voninahitra izay haseho amintsika ». Ny mpino dia sahy hanehoan’ny Tompo ny voninahiny no fanehoan’ Andriamanitra ny Voninahiny amin’ny hafa ihany koa. Tsy mba takona afenina noho izany ny Voninahitr’ Andriamanitra fa asehony amintsika izany , kanefa koa dia asehony amin’ ny hafa amin’ny alalantsika rehefa manaiky ho vavolombelony marina tokoa isika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM