Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Eksodosy 19.9-25
9 [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. 10 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: 11 ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. 12 Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; 13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. 14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. 15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. 16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. 17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy. 18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. 19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. 20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy. 21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. 22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah. 23 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. 24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy. 25 Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Eksodosy 19.9-25

Izay  takiana  amin’ny olona  te-hihaona  amin’ny Tompo 

Fihaonana  amin’Ilay  Tompon’ny Tompo  sy Mpanjakan’ny mpanjaka  ny fihaonana amin’ Andriamanitra . Ho  mari-panajana  Azy  dia takiana  amin’izay te-hihaona  Aminy  ny :

1-Fahamasinana (and 10)

Fanokanana , fanavahana no hevitry  ny teny fahamasinana . Navahan’ny  Tompo  tao anatin’ny maro  ny mpino  ka mila mitandro  izany fanavahana azy izany  mandrakariva mba hahazoany  mifandray  sy mihaona  amin’ilay  mpaniraka sy hahafahany  mijoro  ho vavolombelony rahateo.

2-Fahadiovana (and 14)

Azo raisina  ara-bakiteny  ho ny fahadiovana  ny fitafiana ny fanirahana ny Zanak’ Israely  hanasa ny fitafiany eto , mialoha ny fihaonana ami’ny Tompo . Fihaonan’ny Tompo sy mpanompo  rahateo  izao  ka mari-panajana  sy fanaovana fitafiana madio  , kanefa  koa dia azo lazaina fa fitaomana ny olona  hananana ny fahadiovam-po  sy fanahy  mialoha  ny fihaonana  amin’ny Tompo (Mat 5.8).

3-Fanarahana  toro-làlana 

Misy  toro-làlana  sy fepetra  maro samihafa omena  ny Zanak’ Israely  hahatomombana  tsara   ny fihaonana amin’ny Tompo (and12-13; 21-25). Ny fanarahana  an-tsakany sy an-davany   izany no  mahalavorary  ny fihaonana  amin’izy  Tompo . Jesoa  no fahatanterahan’ny lalàna sy  ny fepetra hahazoana  manatona  sy mihaona  amin’Andriamanitra Ray .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM