Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Novambra 2017

Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino 

Salamo  33.18-22
18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, 19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. 20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. 21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.

Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino 

Salamo  33.18-22

Hobio ny  Tompo 

1-Mamonjy   izay matahotra Azy Izy  (and18-19)

Miatomboka  amin’ny fijeren’ Andriamanitra  ny olona  izay mahatoky  Azy ny famonjeny . Mitohy  amin’ny fanaovany hetsi-panafahana izany  ho fanatanterahana  ny  famonjena .Midika  izany fa mijery  akaiky  ary tsy miala  amin’ny olona izay miandrandra ny famonjeny  sy matoky ny fitiavany ny mason’ny Tompo  . Izany  indrindra  no nanirahany  an’i Jesoa hiara-monina amintsika sy ho  faty  teo amin’ny hazo fijaliana  ho famonjena  antsika  amin’ny fahafatesana tambin’ny ota . Noho izany dia:

2-Fahendrena  ny miandry  ny  famonjeny (and 20-22)

Mitaona  ny manodidina azy ny mpanao salamo  mba hiandry ny famonjen’ny  Tompo mandrakariva . Tsy  misy  afa-tsy  ny Tompo no azo antoka  hitondra  famonjena  noho ny famindrampony. Nasehony tao amin’i Jesoa ny maha- Mpamonjy  tokana Azy. Izy irery  ihany no  nanaiky  ho faty hisolo heloka ny maro  mba ho famonjena  izao tontolo izao . Na inona  na inona hitranga  dia fahendrena ny miandry  ny famonjen’ Andriamanitra  ho an’ny mpino  satria efa  nafoiny  ho famonjena ho antsika ny zanany lahitokana .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM