Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Apokalypsy 2.1-7
1 [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. 4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. 6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao] 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia]Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Apokalypsy 2.1-7
Ny fiangonana miandry ny fiavian’ny Tompo
Nahazo hafatra manokana avy tamin’ny Tompo ny fiangonana tao Efesosy . Eo am-piandrasana ny fiaviany indray dia taomina ny mpino mba:
1-Hifikitra amin’i Jesoa hatrany (and2-4)
Noderain’ny Tompo manokana noho ny asany ny fikelezany aina , ny faharetany ary ny tsy fahazakany ny mpanao ratsy ity fiangonana ity. Nahazo fanakianana mafy kosa anefa izy noho ny fialany tamin’ilay fitiavana voalohany . Tsy inona izany fa ny tsy fisian’ny finoana an’i Jesoa Kristy intsony tahaka ny tamin’ny andro voalohany nandraisan’izy ireo ny Filazantsara . Tsy ampy noho izany ny fihetsiketsehana ivelany hahazoana sitraka amin’ny Tompo raha toa ka mihen-danja ny fitiavana Azy . Hazony mafy mba hihen-danja ny fitiavana an’i Jesoa eo am-piandrasana indray ny fiverenany .
2-Hibebaka amin’izay nananaran’ny Tompo (and5)
Miverina matetika eto ny antso ho amin’ny fibebahana . Fiverenana amin’ny Tompo no hevitr’izany amin’ny ankapobeny . Fiantsoana ny mpino mba hihazona ny hafanampo amin’ny fitiavana an’i Jesoa kosa izany eto na inona na inona mitranga mandra-piaviny . Fahavoazana lehibe no ateraky ny tsy fibebahana eto satria very maina ny fisasarana rehetra natao tsy amin’ny fitiavana ny Tompo (Mat 7.22-23).
Fanontaniana :