Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Eksodosy 14.10-14
10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah. 11 Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty at? an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? 12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. 13 Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. 14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Eksodosy 14.10-14
Eo am-piandrasana ny Tompo
Tandindon’ny fiainan’ny mpino miatrika zava-tsarotra eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo ny tranga nahazo ny Zanak’Israely eto . Eo am-piandrasana ny Tompo dia:
1-Ialao ny fanomezan-tsiny (and11-12)
Fanomezan-tsiny an’i Mosesy no nibahana tao an-tsain’ny vahoaka rehefa injay ka tazan’izy ireo nanaraka avy ao afara i Farao sy ny miaramilany (and10). Toe-tsaina mpahazo ny maro koa matetika ny fanomezan-tsiny ny mpitarika rehefa injay ka tojo ny sarotra na ny tsy nampoizina . Fimonomononana, fanomezan-tsiny , fialana andraikitra no mipololotra ao am-pon’ny maro fa tsy mba fifanomezan-tànana sy fifampaherezana .
2-Itokio ny herin’ny Tompo (and13-14)
Naverin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy ilay teniny hoe: « Aza matahotra » . Narahina fampanantenana fa ny Tompo no hiady ho azy ireo . Teny fanomezan-toky eo anatrehan’ny sarotra izao teny izao . Mandra-piavin’ny Tompo dia tsy maintsy misedra ny sarotra ny mpino. Antoka handresena izany anefa ny herin’i Jesoa efa nandresy ny herin’i Jesoa efa nandresy ny fahafatesana sy ny teny fanomezan-toky nomeny antsika manao hoe:: »aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia , Izaho efa naharesy izao tontolo izao » (Jao 16.33)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM