Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Filipiana 3.17-21
17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. 18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny; 19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. 20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, 21 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Filipiana 3.17-21
Fantaro Ilay Mpamonjy
Tsy takona afenina fa na eto amin’ny firenentsika aza dia misy ny mitonon-tena ho i Jesoa Kristy . Tsy mahagaga izany fa efa nambaran’ny Soratra masina rahateo (Mat 24.5) . Fantaro avy amin’ny fanambaran’ny Soratra masina anefa Ilay tena Mpamonjy andrasana .
1-Ny Anarany :
Jesoa Kristy no maha-izy azy ny olona iray ny anarany . Andriamanitra no Mpamonjy no hevitry ny Anarana hoe: Jesoa . Ilay voahosotra kosa no dikan’ny hoe: Kristy . I Jesoa , Ilay zanaka lahitokan’ Andriamanitra , naterak’i Maria virjina no hany tokana voahosotr’ Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana .
2-Ny fiaviany :
Avy any an-danitra Izy . mazava ny fanambaran’ny Soratra masina . Avy any an-danitra no iandrasantsika Mpamonjy mba hahitan’izao tontolo izao Azy (cf Apo 1.7) Izany dia midika fa tsy misy afa-tsy i Jesoa niakatra ho any an-danitra ihany no hidina indray amin’ny andro farany .
3-Izay ho ataony
Hitondra fanovana . Voalohany indrindra amin’izany ny hanovany ny tenantsika sy ny toetsika hanana voninahitra mitovy amin’ny Azy mba hahafahantsika miara-belona sy mitoetra miaraka Aminy mandrakizay (Jao 14.1-3) .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM