Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Amosa 4.6-13
6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina. 8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 9 Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala*; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky] 10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. 12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô. 13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Amosa 4.6-13
Niala tamin’ny Tompo ny vahoaka mafy fo. Indimy ny teny hoe: »nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo , hoy i Jehovah » no hita eto , na dia efa niala nenina tamin’ireo famaizana isan-karazany aza ny Tompo .
1-Andriamanitra mahitsy ny Tompo (and12)
Na dia naseho teo amin’Israely avokoa aza ny karazana famaizana rehetra tamin’ny tsy fahampian-kanina , tsy fahampian-drano, vary , areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy niverina tamin’i Jehovah ihany i Israely. Ambaran’ny Tompo mazava eto , fa misy valiny ny tsy fiverenana Aminy . Koa ny hamafin’ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy hovaliana , satria « satria hanao izany aminao Aho » (and 12) hoy Izy . Mitaona antsika tsy hanamafy fo izany , ka hiverina amin’ Andriamanitra . Handini-tena amin’ireo fampitandremana isan-karazany efa nataon’ny Tompo ary hiverina amin’ Andriamanitra fandrao « mba hanenina ny amin’ny loza izy « .
2-Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo (and13)
Andriamanitra manambara ny tenany no hita eto , ka miharihary ao amin’ny famoronana sy ny asany indrindra ny Anarany . Andriamanitry ny tontolo no miasa . Izany no tokony hatahorantsika mandrakariva satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Izy . Amin’ny maha- Tsitoha Azy dia tsy misy azo oharina na ampitahaina Aminy .
Fanontaniana: