Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Salamo  9.7-10
7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. 9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. 10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Salamo  9.7-10

Mendrika  ny ho andrasana ny  Tompo

Isan’ny boky  mampahafantatra  ny maha-izy  azy an’ Andriamanitra  ny bokin’ny Salamo . Izany rahateo  no mahatonga   ny mpanao salamo  hanandratra  fiderana  an’ Andriamanitra . Mendrika ny ho andrasana  ny Tompo satria :

1-Mpitsara  Izy  (and 7-8)

Marina sy mahitsy Andriamanitra  . Amin’ny fahamarinana  sy  ny fahitsiana  noho izany  no tsy maintsy  hitsarany  ny firenena rehetra . Izay rehetra miandrandra ny fahamarinana  sy ny hitsiny  dia maharitra  amin’ny fiandrasana ny Tompo  . Izy  no mpitsara marina .

2-Mpiaro  Izy (and 9)

Ny raharaham-pitsarana  rehetra  dia ahitana  mpitsara  sy mpiaro . Tsy hitoetra ho mpitsara  antsika fotsiny  ny  Tompo fa hitsangana  ho mpiaro  antsika ihany  koa izy .Fialofan’ireo mahantra  sy ozoim-pahoriana Izy . Izany no maha- zava-dehibe  ny fiandrasana  Azy   mba hiaro   antsika  amin’ny fiampangana  sy fanamelohan’i satana  (Rom 8.33-34).

3-Mahatoky  Izy (and10)

Noho  ireo  maha-izy  Azy ireo  dia azo  tokisana ny Tompo . Miandany  mandrakariva amin’izay mitady  sy  matoky  ny famonjeny  tokoa Izy. Andrandrao  ny  Tompo fa ho avy  izy  , ilay Mpitsara  marina sady mpiaro  azo antoka .

Fanontaniana:

BIrao Sekoly Alahady FOIBE FJKM