Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 119.33-40
33 [HE] Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany. 34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho. 35 Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako. 36 Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana. 37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho. 38 Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra*.[Tovy amin'ny mpanomponao ny teninao, Izay mahatonga ny fahatahorana Anao] 39 Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. 40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao.Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 119.33-40
Ny Salamo 119 dia maneho ny fankalazan’ny mpino ny Tenin’ Andriamanitra . Io Tenin’ Andriamanitra io rahateo no maneho ny fifandraisana lalina sy maharitra eo amin’ Andriamanitra sy ny mpino . Fifandraisana roa lafy no hita eto , ka misy ny :
1-Anjaran’ Andriamanitra
Ny tapany voalohany isaky ny andininy dia mitodika hatrany amin’ Andriamanitra. Ambara fa Andriamanitra no Tompon’ny Teny . Koa mitodina Aminy ny mpanompony . Samy entina ilazana io teny io avokoa na didy na lalàna na lalàn’ny didy na tenin’ny vavolombelona , na fitsipika . Manana anjara amin’ny fifandraisan’ny mpino amin’ Andriamanitra ny Soratra masina . Ny vavaka no hifandraisantsika Aminy fa ny Teniny kosa no hitenenany amintsika . Koa omeo anjara toerana lehibe ny Soratra masina hampitohy hatrany ny fifandraisana .
2-Anjaran’ny olombelona
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM