Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Novambra 2017

Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino 

Salamo  27.7-14
7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho] 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. 12 Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona. 14 Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.

Miandry ny  Tompo ny vavolombelona mino 

Salamo  27.7-14

Niharan’ny fanenjehana  ihany koa i Davida , mpanjaka  sy voamarika  amin’ny tononkira  Salamo izany  . Manoloana  ny fanenjehana dia :

1-Mitadiava  ny tavan’ Andriamanitra (and 7-10)

Ny  tavan’ Andriamanitra   dia  hentitra   ilazana  ny fanatrehan’ Andriamanitra na maneho  ihany  koa ny maha- izy azy  Azy an’ Andriamanitra . Koa  ny fitadiavana  ny tavany  dia maneho  fiombonam-piainana  feno  amin’ny Tompo. Na  dia ireo sokajin’olona  akaiky  toy ny ray amandreny aza dia mety  hiala, fa rehefa  miombom-piainana Aminy  kosa isika  dia tsy  handao  mihitsy  na hahafoy  akory  Izy .

2-Araho  ny lalàn’ Andriamanitra 

Ny fiverenana amin’ny Tenin’ Andriamanitra irery ihany  no làlana  marina tokony  hizoran’ny mpino  manoloana ny fanenjehana . Ny Teniny  mantsy  no hamantarana  ny  sitrapony  , ka  ampandeferana ny sitrapon’ny tena . Tsarovy  mandrakariva  ny  manontany ny sitrapon’ Andriamanitra  araka ny Soratra masina  rehefa  tojo ady sarotra .

-Manantenà an’ Andriamanitra  (and 13-14)

Ny fiandrasana  an’ i Jehovah   hamonjy  amin’ny fahavalo  (and 14) dia mifono  fanantenana  mandrakariva . Alefa   mialoha   eto  ny fanantenana  fa ho  avy   ny  Tompo  hiantsehatra  , ka hamonjy  amin’ny tànan’ny fahavalo . Ny  fiandrasana   ny fiavian’ny Mesia  dia fanantenana  lehibe  ho an’ny mpino  fa mitondra famonjena tokoa Izy . Ankehitriny dia mbola amin’ny fanantenana no hiandrasantsika azy   ho avy  amin’ny voninahitra lehibe rahatrizay .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM