Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Novambra 2017

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Isaia  25.9-12
9 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika. 10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra; 11 Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah* kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy] 12 Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.

Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino 

Isaia  25.9-12

Ilay Andriamanitry ny fanantenana 

1-Mitondra famonjena 

Any am-pahababoana ny vahoakan’i Joda  no ampanantenana fa ho  avy   ny  Mpanjaka  hanafaka  azy ireo  (23,24). Sary  ilazana  ireo  fahavalo  rehetra manodidina  ihany i Moaba  . Koa  na dia manana manda sy fiarovana  mafy sy avo aza ireny  dia tsy hahajanona eo anatrehan’i Jehovah . Tsy   fandresena  ho an’ny vahoakan’ i Joda fotsiny  , araka izany fa fandresen’ Andriamanitra mihitsy . « Raha  Andriamanitra no momba  antsika , iza  no hahatohitra  antsika ? »

2-Mitondra fifaliana 

Tsy  afa-misaraka  amin’ny  fahazoana  Mpanjaka  ny fety  lehibe  ombam-pifaliana (1 Sam 11.15; 1 Mp 1.25 ). Na dia ny babo  aza  dia ampanantenana fanasana  lehibe ao an-tendrombohitra Ziona , hisotro divay efa niotrika ela, hihinana ny matavy , tsy  hisy ranomaso , ho foana  ny  fahafatesana (and 6-8). Sarin’ilay  fiainana mandrakizay  ao  amin’ny  Tompo  no ambara eto . Endriky  ny fahasoavan’ Andriamanitra   atolotra  ny mpino  izay  mahatoky  sy  marina ao Aminy  ny fifaliana maharitra  sy  mandrakizay  ary santarina dieny ankehitriny  . Koa manàna fanantenana  ary « aoka  ho faly  sy ho ravoravo amin’ny  famonjeny isika  » 

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM