Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Novambra 2017
Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 121 .1-8
1 [Fahatokian'izay manana an'i Jehovah ho Mpiaro azy] Fihirana fiakarana*. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy**? [**Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga][**Na: Izay ihavian'ny famonjena ahy]Miandry ny Tompo ny vavolombelona mino
Salamo 121 .1-8
Tompo miaro Izy 
1-Miaro andro amana alina ny Tompo (and3-6)
Ny famonjena eto dia ilay fiarovan’ny Tompo ny fiangonana ka tsy mahalany ritra azy . Andriamanitra Tompon’ny fotoana Izy . Koa tsy mba misy fetra na fiatoana ny fombàny ny vahoakany. Tahaka ny fetin’ny taranaka ka mahatsiaro fa na dia eo aza ny elanelatany , ny tendrombohitra novakivakiana andro amana alina dia teo ny Tompo niaro , ka afaka manao izany fivahiniana masina izany . Ny mpino koa amin’ny asa fitoriana amin’ny làlana lavitra tsy maintsy aleha dia toky ho antsika ny Tompo fa hiaro na andro na alina .
2-Hiaro ny fanahin’ny mpino ny Tompo
Hihaona any amin’ny Tempolin’i Jehovah ny mpino . Alohan’izany dia tiany raha miroso amin’ny fanadiovana ara-panahy mba hananany fahamasinana satria masina Andriamanitra . Tsy ny eny an-dàlana ihany no hiarovan’ny Tompo ny mino , fa amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra koa. Hita taratra ny fiarovan’ny Tompo ny fanahy amin’ny ratsy rehetra (and7), hahatonga antsika hitana ny finoana na dia any am-pielezana aza. Izany no mahatonga antsika hijoro ka tsy menatra ho vavolombelon’ny Tompontsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM