Miandry  ny  Tompo  ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Novambra 2017

Miandry  ny  Tompo  ny vavolombelona marina 

Lioka 2.36-38
36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy, 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina. 38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.

Miandry  ny  Tompo  ny vavolombelona marina 

Lioka 2.36-38

Ny mino  miandry ny Tompo 

1-Mazoto  amin’ny fanolorantena 

Vehivavy  mpitondrantena  sy efa  antitra i Ana  mpaminanivavy  , kanefa  mbola nazoto  nankeo  an-kianjan’ny Tempoly  sy tsy niala teo  . Izany dia noho   ny faniriany  hahita  ny Mpamonjy . Toy izay nataon’ity vehivavy  ity dia  tsy tokony  hatao sakana  amin’ny fanolorantena  ny fahosana  sy ny fahasahiranana . Mazotoa mivavaka  sy mamonjy  fiangonana  ary mazotoa amin’ny fanolorantena  mandra-piavin’ny  Tompo  Jesoa .

2- Manompo  amin’ny fahononan-tena 

3-Manambara  ny amin’i Jesoa Kristy 

Nahita ny Mesia i Ana  ka nanambara   tamin’ireo  izay niandry fatratra  ny fanavotan’ny Tompo . Fijoroana  vavolombelona  hanambara  ny maha- Mpamonjy  an’i Jesoa  no tsy maintsy  ataontsika mpino eo am-piandraana  ny fiverenany indray .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM