Miambena mba ho voavonjy
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Novambra 2020
LIOKA 12.35-40
LIOKA 12.35-40
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. 37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.Miambena mba ho voavonjy
1-Miambena fa alina ny andro
Ny alina dia fotoana anjakan’ny aizina . Ary fotoana tsy maintsy hitandreman’ny olona . Fotoana ihany koa iasan’ny zanaky ny aizina . Raha lojika dia hoe: matoria ianareo fa alina ny andro , saingy tsy izany no hita eto fa hoe : aoka hisikina sy hirehitra ny jironareo . Zava-droa loha no asain’ny Tompo ataontsika . Miasa izay hevitry ny hoe : sikino ny valahanareo sy ny mandrehitra jiro. Ny jiro dia tsy inona fa ny Tenin’Andriamanitra izay fanilo ( jereo Sal 119.105) . Koa ny alina ambara eto dia tsy ilay fialana sasatra fa ilay fanjakan’ny maizina mitady hampahory antsika (Matio 6.23)
2-Miambena fa misy ny fahavalo
Tadidintsika tsara angamba ny teny nataon’i Jesoa raha nahita ny mpianany natory Izy , tamin’ny alalan’ny nisamborana Azy ( jereo Mat 26.40 ) . Fitaovana ampiasain’ny fahavalontsika hamelezana antsika ny torimaso . Alefany ireo fakampanahy maro hahasondrian-tory antsika . Taominy miandalana isika ho variana amin’ny rehak’izao fiainana izao , ka hanadino ny Tenin’ Andriamanitra (Jereo 1 Pet 5.8/ Jak 4.7)
3-Miambena fa ho avy ny Tompo
Napetraky ny Tompo amin’ny anjara fiambenana avy isika rehetra . Matoa isika apetraka eo dia fantatry ny Tompo ary azony antoka fa hahavita izany . Matetika ny olona rehefa asaina miambina dia ny fahavalo no ao an-tsainy fa tsy ny Tompo izay nametraka azy hiambina . Fa ankoatra izay fahavalo mety ho avy , dia ny tompontrano hiverina ao an-tranony. Voalazan’i Jesoa eto fa mahafaly ny tompontrano ny mahita ny mpiambina tsy matory .
Fanontaniana :
Efa anatin’ny ora fahafiry amin’ny fiambenana ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM