Mialà amin’ny fanaon-drazana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Martsa 2020

ZAKARIA 1.1-6

ZAKARIA 1.1-6
1 [Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe: 2 Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah. 3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah. 5 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny? 6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

Mialà amin’ny fanaon-drazana

Taranaka vaovao no nitenenan’i Zakaria . Tsy ilay taranaka maditra teo aloha fa taranaka vaovao.Tsy izay nataon’ny teo aloha tokoa dia ho mahasoa avokoa .Misy zavatra tsy maintsy ialana tamin’izay nataon-drazana satria:

1-Mahatezitra an’Andriamanitra izany (and2,4)

Izao fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny razan’ny razan’ireto taranaka vaovao ireto izao dia noho izy ireo tsy nety niala tamin’ny ratsy .Ray aman-dreny tsy mba faka tahaka amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra , amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra . Miantefa amintsika taranaka ankehitriny koa izany hafatra izany .Aza mba toy ireo Ray amandrenintsika , na ireo zokintsika izay nantsoin’ny Filazantsara , nantsoin’ireo mpanompon’ Andriamanitra hiala amin’ny ratsy ka hiverina amin’Andriamanitra , kanefa nanao ho mafy hatoka , tsy azo notenenina. Taranaka vaovao isika , mitaky fomba fiaina sy fisainana vaovao amintsika koa izany .

2-Mamaly ny olona araka ny asany ny Tompo (and6)

« araka ny alehantsika sy ny ataontsika , dia araka izany no nataony tamintsika« .Anisan’ny zavatra iray izay hahafantarana an’Andriamanitra dia Izy mitsara ny olona araka ny asany . Raha manao izay tsara ny olona dia mitahy ny Tompo , rehefa manao izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo mba tsy ho toy izay nahazo ireo razana fahiny koa no mbola hahazo antsika taranaka vaovao . Tena Andriamanitry ny famindrampo tokoa ny Tompo kanefa mamaly ny olony araka ny asany Izy.

Fanontaniana:

Inona amin’ireo fanaon-drazana no tsy maintsy ialana mba hahafahana mifandray tsara amin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …