Meteza afahan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 12 Jona 2022

LIOKA 6.1-5

LIOKA 6.1-5
1 Ary tamin'ny Sabata anankiray* dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.[* Na: faharoa manaraka ny voalohany]. 2 Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata? 3 Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, 4 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.

Meteza afahan’ny Tompo

1-Amin’ny toetra ratsy mamatotra (and2)

Nambaran’ireto Fariseo ireto fa tsy mety ny mikosokosoka salohim-bary amin’ny tànana ka mihinana izany amin’ny andro sabata .Mampalahelo mihitsy ireto sokajin’olona ireto fa voafatotry ny toetra ratsy , nefa heverina fa tsara . Toetra mihevitra ho hendry foana ka tsy mety ho diso mihitsy ,toetra manakiana olona mandrakariva na dia efa tsy tokony hokianina izao aza .Toetra mihatsaravelatsihy .Olona voageja ireo nefa izy ireo mihevitra azy fa afaka. Mampalahelo izany .Tsarovy ilay tenin’i Jesoa Kristy manao hoe: « Esory aloha ny andry eo amin’ny masonao ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombinkazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao  » (Mat 7.5).Aza mba zatra manakiana olona fa aleo ihany aloha mijery ny an’ny tena ary meteza ny ho afahana amin’izany .

2-Amin’ny fombafombam-pivavahana (and3,5)

Fatra-panaja ny fombafombam-pivavahana loatra ireto Jiosy ireto indrindra fa ireo sokajin’olona misongadina toy ny Fariseo. Efa nolovain’izy ireo tamin’ny razany efa tao amin’ny Testamenta Taloha izany . Nofikiriny ka zary nampivaona azy .Tsy ny fombafombam-pivavahana no ratsy fa izy lasa manandevo. Mila manatona an’i Jesoa Kristy .Tandremo ! isika kristiana mazoto miditra am-piangonana mihintsy no matetika voafatotr’izany . Jesoa no manam-pahefana fa tsy fehezin’ny sabata.

Fanontaniana:

Inona amin’ny fombafombam-piavavana ao amin’ny Fiangonana misy anao no manam-pahefana aminao izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM