Mendrika ny hisaorana Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Martsa 2024
Lioka 1: 67-79
Lioka 1,67 - 79
67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. 76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany. 77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony, 78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[*Na: niposahan'] 79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.Mendrika ny hisaorana Andriamanitra
1. Satria mitazona foana ny fanekeny (and 67)
Faminanian’i Zakaria ity satria zava-dehibe loatra по nasehon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Zava-dehibe roa izany: dia ny fahitany mivaingana eo amin’ny fiainana ny fitazonan’ Andriamanitra ny fanekeny dia ny amin’ny mpanjaka avy amin’ny tarak’i Davida izay tsy ho diso zanaka lahy eo amin’ny fanjakan’Israely. Ny faharoa dia ny nahazony zanaka mba hialoha lalana ilay mpanjaka nefa izy efa tsy nanam-po ny hiteraka. Ry Havana, rehefa milaza ny Tompo fa hanao zava-dehibe amintsika dia tsy maintsy tanteraka. Deraina ny Tompo
2. Satria naniraka mpanompo mba hanitsy dia antsika (and 69)
I Jaona mpanao batisa dia iraka hialoha lalana an’i Jesoa hanomana ny fon’ny olona handray azy amin’ny alalan’ny batisan’ny fibebahana. Betsaka ireo olona niova fo tamin’izany ka nandray an’i Jesoa; misy mpanompo maro ihany koa ankehitriny irahin’ny Tompo mba hanitsy ny diantsika ka ho vonona handray an’i Jesoa ao am-po. Tsy kamboty ry Havana fa manana Ray mpananatra, mpanitsy ny dia, ary ny mpanompony ireny irahiny ireny. Deraina mandrakariva Izy; aoka isika hanao hoe: « izay tsy hitako mba ampianaro ahy; raha nanao ratsy aho dia tsy hanao intsony » Job 34-32.
Fanontaniana:
Efa nisy fotoana ve tamin’ny fiainanao nanaovanao fisaorana mipololotra avy ao am-po toy izao nataon’i Zakaria izao? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe