Mbola misy hatrany ny fanantenana ao amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Novambra 2021

Romana 8. 18- 25

Romana 8. 18- 25
18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.

Mbola misy hatrany ny fanantenana ao amin’Andriamanitra

1- Na dia efa simban’ny fahotana aza ny voahary ankehitriny ( and.20-21)

Ravan’ny fahotana ilay hasambaran’ny voahary noharian’Andriamanitra voalohany ka dia zava-poana avokoa no niafarany. Mbola misy ihany anefa fanantenana ho an’ireo voahary ireo any aoriana any, dia voninahitra tsara tokoa. Ao amin’ilay tanàna vaovao, dia Jerosalema vaovao izany. Ry havana, izany no izorantsika ankehitriny, aza kivy fa mbola hisy farany ny maha zava-poana ny zavatra ety an-tany, any an-danitra no misy ilay tsy mety lo. Hoy ny Ohabolana 23. 18 « Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao » .

2- Na dia mahakivy avokoa aza izay mety misy ety an-tany ( and.23-24)

Maro ireo Kristianina no mila ho kivy fa toa tsy mety mahatratra ilay fenitra tadiavina mihitsy. Feno fahoriana amin’ny endriny maro eto an-tany. Paoly anefa dia mampahery ny Kristianina fa toy ny fahorian’ny vehivavy mihetsi-jaza izany, mangirifiry saingy mbola hijanona sy araham-pifaliana ihany avy eo. Jesoa Kristy, ilay Lahimatoa amin’ireo zanak’Andriamanitra rehetra no mampahery ary manome ny Fanahy Masina mba hitondrantsika tena toy ny zanany mihitsy. Ry havana, mila manana fanantenana isika fa mbola ho avy ny tsara izay maharitra mandrakizay. Izany fanantenana izany koa anefa hoy i Paoly dia mila faharetana.

Fanontaniana :

Ananantsika fanantenana tokoa ve izao Andriamanitra ivavahantsika izao amin’ny ho avintsika rehetra ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM