Mbola mafana fo amin’ny fanaovana ny asan’nyTompo ve ny olona ankehitriny ? Nahoana ?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Aogositra 2021
EKSODOSY 36.1-7
EKSODOSY 36.1-7
1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah. 2 Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy. 3 Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy. 4 Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy, 5 ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao. 6 Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony; 7 fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.Mbola mafana fo amin’ny fanaovana ny asan’nyTompo ve ny olona ankehitriny ? Nahoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM