Mbola azo atao ve ny miaina eo ambany fahasoavan’ny Tompo?

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Aogositra 2022
Lioka 12.22-31
22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. 23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana. 24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo? 25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany*, na dia kely monja** aza? [*Na: ny halavan'ny tenany] [**Gr. hakiho iray] 26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa? 27 Hevero ny fanirin'ny voninkazo*; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.[* Karazan'ny lilia] 28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana? 29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana] 30 Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. 31 Kanefa katsaho ny fanjakany*; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[*Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]

1- Meteza hiaina eo ambany fahasoavan’Andriamanitra

Mahavariana ihany ny tenin’i Jesoa hoe aza manahy ny amin’ny ainareo na izay hohaninareo, na ny amin’ny tenanareo izay hotafinareo. Amin’ny lafiny iray mantsy dia mety ho diso fandray ny teniny ny olona manatsotso-javatra fotsiny ka mety hilaza hoe tsy mila mivaky loha amin’ny fiainana izany fa mandeha ho azy io. Mety ho izany ve no mahatonga ny olona hangalatra sy hisoloky ary hametsifetsy ny hafa fotsiny ka hanamarin-tena izy amin’izany hoe tena ara-tSoratra Masina izany? Tsia, diso izany. I Jesoa raha niteny hoe aza manahy dia tsy niteny mihitsy Izy hoe aza manao na inona na inona, aza miasa; tsia, tsy izany velively. Tsy miteny mihitsy i Jesoa hoe aza mivaky loha, aza miasa saina amin’ny atao rehetra; tsy izany fa hoy Izy hoe manàna finoana, meteza hiantehitra sy hahatoky ny Tompo Andriamanitra amin’ny zavatra atao rehetra. Izay ilay hoe mahaiza miaina eo ambany fahasoavany satria ampy ho anay ny fahasoavako hoy Izy.

2- Katsaho ny fanjakany

Antsoina ny olona mpanara-dia Azy mba hanaiky ny hiombona Aminy ao amin’izany fanjakany izany amin’ny alàlan’ny fibebahana tanteraka, tsy amin’ny endrika ivelany, tamin’ny ratsy vita taloha, fa eo koa ny fanekena tsy hiverina amin’izany intsony ka hiaina ny lalam-baovao sy ny fiainam-baovao miaraka Aminy indray. Izany no ezaka tsy maintsy ataon’ny olona maniry fiainan-tsambatra sy fiainana maharitra mandrakizay miaraka Aminy ao amin’ny fanjakany. Ny zavatra rehetra mantsy dia misy ireo milaza fa miaraka amin’ny Tompo kanefa ny faharatsiana dia mbola atao ihany.

Fanontaniana

Mbola azo atao ve ny miaina eo ambany fahasoavan’ny Tompo?

Sampana SEKOLY ALAHADY Foibe FJKM