Mba mitoetra maharitra amin’ny fitiavan’i Kristy ve ny Fiangonana ?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Aprily 2021

JODA 17-25

Joda 1,17 - 25
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza. 24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

Mba hiorenana amin’ny fanavotan’i Kristy sy hahazoana miaro ny finoana masina dia tsara ny :

1-Mitadidy ny fampianaran’ny Apostoly

Manoloana ny fiainam-pinoana dia tokony tsy hahataitra ny mpino ny fisian’ireny mpampianatra sy mpaminany sandoka ireny . Ny fahaizantsika mpino izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina no handresena azy ireny . Tsara ny mahatakatra izay voambara ao amin’ny Baiboly , ary afaka mampiasa izany araka izay ilana azy handresena ny fahavalo (Mat 4.4,7,10) . Tsy hoe : mitadidy ihany fa ampiasaina amin’ny ilana azy ny Soratra Masina .

2-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina

Ambaran’i Joda eto izay ho fifandraisan’ny mpino amin’Andriamanitra , izay adika hoe : ao amin’ny Fanahy Masina . Toa manambara sady mampahatsiahy antsika izay fifandraisan’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina . Aoka ho feno ny Fanahy isika (Efe 5.18) ary hiankina amin’ny Fanahin’ny Fahamarinana (Jao 14.17) Koa raha tsy eo ny Fanahy dia tsy afa-manao na inona na inona amin’ny alalan’ny tenantsika samirery isika (Zak 4.6 )

3-Mitoetra maharitra amin’ny fitiavana

Io fitiavana io no marika hahalalana fa mpianatr’i Kristy ny mpino (Jao 13.35) . Efa tafiditra ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra isika noho ny fitiavany . Manentana indray i Joda eto manao hoe : tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ka mahandrasa (and21)

Fanontaniana :

Mba mitoetra maharitra amin’ny fitiavan’i Kristy ve ny Fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM