Mba fantatrao ve fa hain’ny Tompo ny manova ny fo mankahala ao amin’ny fahavalonao ho tonga fitiavana?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Jona 2022
Jaona 11,32 - 46
32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; 34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. 35 Jesosy nitomany. 36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy! 37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? 38 Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. 39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. 40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. 42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. 43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! 44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. 45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy. 46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.1- Manana fahefana handresy ny fahafatesana ny Tompo (and. 43-44)
Olombelona tapi-pahaizana sy manana fahalalana maro teto amin’izao tontolo izao no efa nikaroka ny fanafodin’ny fahafatesana fa niala maina. Manaiky ny heriny ary mangina eo anatrehan’ny hetraketrany na dia tafintohina mafy aza Teto anefa nisy Iray naningana nandresy azy. Tsy izany fa i Jesoa Kristy izay nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Fandresena miezinezina! Laza sy voninahitra tsy misy ohatran’ izany no an’ity lehilahy zanak’Andriamanitra ity. Hatrizay ka hatrizao dia manampatra fahefana mihintsy rafahafatesana, saingy eto kosa izy dia tankina tsy mahaloa-peo satria Jesoa no maneho ny fahefany aminy. Hoy Jesoa: « Izaho no fananganana ny maty sy fiainana izay mino ahy na dia maty aza dia ho velona indray » (and. 25)
2- Manana fahefana handresy ny fankahalana ho fitiavana ny Tompo (and. 45)

Raha tsiahivina dia mbola narary Lazarosy no efa nantsoina ho any Jesoa hanasitrana saingy tsy nankany Izy satria izay no sitrapon Andriamanitra. Sitraky ny Ray mantsy ny haneho ny voninahitra amin’i Jesoa eo anatrehan’ireo Jiosy maro tao Betania izay nankahala azy ka saika hitora-bato azy (And. 8). Nampihariharihan’ Andriamanitra Ray an’ireto Jiosy ireto fa lehilahy mahery avy amin Andriamanitra i Jesoa. Rehefa nahita an’i Lazarosy natsangan’i Jesoa tamin’ny maty àry ireo jiosy dia nino an’i Jesoa ny ankamaroany. Ilay fankahalana teo nivadika ho fitiavana an’Andriamanitra rehefa nahita ny heriny.
Fanontaniana :
Mba fantatrao ve fa hain’ny Tompo ny manova ny fo mankahala ao amin’ny fahavalonao ho tonga fitiavana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM