Mba efa tsaroanao ve ny fiarovan’ Andriamanitra anao

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Aprily 2021

2 Samoela 22.32-37

2 Samoela 22.32-37
32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? 33 Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy. 34 Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy. 35 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. 36 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. 37 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Mba efa tsaroanao ve ny fiarovan’ Andriamanitra anao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM