Mazava Andriamanitra ary manana fahazavana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Septambra 2023
1 JAONA 1.1-10
1 JAONA 1.1-10
1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), - 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany. 4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo] 5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. 6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. 7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. 8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. 9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. 10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.1-Mazava Andriamanitra ary manana fahazavana
Ny vontoatin-kevitra tian’ny mpanoratra ampitaina eto dia ny fananana sy fiainan’io Andriamanitra io tanteraka izany fahazavana izany . Ary mariho fa asongadina eto ny hoe : rehefa mazava dia mazava ka lavitry ny aizina.Raha holazaina amin’ny teny hafa izay tiana ambara eto ny amin’ny hoe: « mazava » dia azo tsorina amin’ireto : madio,marina,tsara ,lavitry ny fahotana ,febno fahamasinana,manao asa tsara.Izany no tsy maintsy ho toetran’ny mazava, ary manana izany Andriamanitra araka izay anambaran’i Jaona Azy eto .
2-Mitaratra amin’izay mifandray Aminy ny fahazavany
Fantantsika tsara koa fa mandefa ny tarany ny mazava, ary andeha atao ao an-tsaintsika amin’izany ny masoandro izay mandefa ny tarany ka manazava ny tany manontolo .Koa ambara àry fa mandefa sy/na manome ny fahazavany amin’ny manodidina azy rehetra sy izay mifandray Aminy koa Andriamanitra .Noho izany , izay rehetra mifandray amin’Andriamanitra dia tokony hazava hanahaka Azy satria tarafiny amin’izany fahazavany izany araka ny lojikan-javatra ambara eto. Araka izany , ny olona rehetra manam-pifandraisana Aminy dia tokony hanana sy hiaina io fahazavana ambara io tahaka Azy .Ny olona koa izany dia tokony hadio ,ho marina, ho tsara , lavitry ny fahotana ary feno fahamasinana tahaka Azy.
3-Tandremo anefa sao mandainga
Ny zava-misy tsy azo tsinotsinoavina koa anefa ankilan’izany dia izao : misy ireo mpandainga , izany hoe : milaza ho manana ny mazava nefa tena ao anaty aizina , hoy ny fitenenana hoe : hafa no lazain’ny vavany fa zavatra hafa kosa no ataony .
Fanontaniana:
Misy ve ireo milaza ho miainqa ao amin’ny mazava nefa mbola mitoetra ao amin’ny aizina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM