Maty ny amin’ny ota, velona ao amin’ny Kristy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Aogositra 2024
Romana 6.1-14
Romana 6.1-14
1 [Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena] 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota. 8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan'] 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.Maty ny amin’ny ota, velona ao amin’ny Kristy
1- Maty ny amin’ny ota
Misy fifandraisany ny fahafatesan’ny Kristiana ny fahotana araka izay voalaza eo amin’ny andininy faha 2. Maty noho ny otantsika i Kristy, nofantsihina teo amin’ny hazo fijaliana. Mety ho alaim-panahy hanota anefa isika, ary mety manota; kanefa tsy manana fifandraisana amin’ny fahotana Izy. Mba hananatsika fahamasinana eo anatrehan’ny Tompo dia meteza hatao Batisa ao amin’i Kristy hanananao fiombonam-piainana Aminy. Ny firaisana Aminy, amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty no ahafahana mandray ny fitahiana sy ny fiainam-baovao. Tsarovy àry fa maty noho ny otantsika Kristy mba hananatsika fahamasinana sy fitahiana ary fiainam-baovao ao Aminy. Manamafy izany ny voalazan’ny and 3-7.
2- Velona ao amin’i Kristy
Amin’ny maha mpino antsika ry havana dia tokony hihevitra ny tenantsika ho olona efa maty, nefa velona indray ao amin’i Kristy isika, mba hahafahana miaina amin’ny maha olon’Andriamanitra. Tsarovy fa efa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana niaraka tamin’i Kristy ilay « isika taloha », ary tokony haneho ny sata vaovao izay ananantsika ao amin’i Kristy noho ny fahavelomana izay omeny ny mino. Aoka àry tsy hanjaka ao amin’ny tenantsika intsony ny ota sy ny filàny, satria efa velona ao amin’i Jesoa Kristy ianao. Mba ho marina aminao ny teny hoe: « Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ». Aoka ho masina ianao satria masina Izy.
Fanontaniana:
Tsaroanao ve fa velona ao amin’i Kristy ianao ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe