Maty i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Aprily 2021

I Korintiana 15:1-11

I Korintiana 15:1-11
1 [Ny amin'ny fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra aho. [* Gr. eklesia] 10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.

Maty i Jesoa Kristy

1- Noho ny fahotantsika

Voaresaka sady miverimberina ao amin’ny Soratra Masina ny teny hoe “fahotana”. Ny Testamenta Taloha dia manondro azy hoe : fahadisoana, ary ny Testamenta Vaovao kosa milaza azy hoe : « trosa ». Izany hoe : manao izay ratsy eo imason’Andriamanitra. Paoly Apostoly dia manambara eto, fa maty Kristy noho ny fahotantsika . Tompon’antoka izaho sy ianao, amin’izao fahafatesana izao. Meteza hiaiky ny fahotana mba ho isan’izay mandray ny fanavotana ao Aminy. Nandresy ny fahafatesana Izy, dia ho mpandresy miaraka Aminy koa ianao.

2- Ho fanavotana ny mino

Ny hoe :  » fanavotana » dia azo adika koa hoe : » famonjena ». Tahaka ny namonjen’Andriamanitra ny Zanak’Israely teo ambany fanandevozan’ny Egyptiana (Eks. 12:27). Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izany ary ny antom-pahatongavany teto an-tany rahateo dia ny hamonjy ny olona rehetra . Tsy tonga mba hotompoina I Jesoa fa hanompo, ary nahafoy ny ainy ho fanavotana antsika (Mat. 20:28; Mar. 10:45). Aoreno ao amin’ny Tompo ny finoanao , fa efa nentiny teo ambony hazo fijaliana ny fahotanao. Izy no fanavotana ho antsika. Nahafoy ny ainy Izy noho ny amiko sy noho ny aminao. Koa miorena tsara , aza miova, fa Kristy maty noho ny fahotantsika, ary fanavotana ho an’ny mino, mba handraisana ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana:

Ho anao mino, efa nisy akony teo amin’ny fiainanao ve ny fanekenao an’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM