Maty ho anao Jesoa
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Aprily 2023
MATIO 27.50-53
MATIO 27.50-53
50 Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny. 51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; 52 ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, 53 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian*'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.[*Na:ary taorin',etc]Maty ho anao Jesoa
1-Triatra ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly
Fantantsika fa nisy ny efitra masina sy ny efitra masina inrindra .Teo aloha dia ny Mpisoronabe irery ihany no afaka miditra indray mandeha isan-taona ao amin’ny efitra lamba ary dia misokatra ho antsika ny làlana hizorana amin’ny fahamasinana tsy voafetra ho an’ny Mpisoronabe irery ihany izany . Ny fiombonam-piainana amin’i Jesoa Tompo dia làlana iray azo antoka hisitrahan’ny mpino ny vokatry ny Fanahy ,handehanana araka ny Fanahy (Gal 5.16) .Ny fandresen’i Jesoa ny fahafatesana sy ny fahotana no hahafahanatsika mandeha araka izany .
2- Namoy ny ainy mba hamelona anao indray Izy
« …Dia nankao amin’ny tanàna masina ka niseho tamin’ny maro » (and53b) .Misy akony amin’ny hafa tokoa ny fanolorantenan’i Jeso : fanolorantena mitondra fiainam-baovao, mahatonga fijoroana vavolombelona ,manafaka amin’ny fonjan’ny fasana sy ny fahafatesana ary ny olana .
3-Zanak’Andriamanitra no nisolo voina anao
« Marina tokoa fa zanak’Andriamanitra io lehilahy io » (and 54 d) .Sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra tokoa isika satria ny zanany lahitokana no nomeny ho avotra noho ny fahotantsika . Manam-pahefana iza no sahy hanolotra ny zanany hanavotana anao ? Fa iza moa ianao no tsy maintsy namoizan’Andriamanitra ny zanany ? Hoy indrindra ny Tompo aminao ao amin’ny Isaia 43.4 hoe : « satria malala eo imasoko ianao ,eny be voninahitra ianao sady tiako » . Aza avela ho very maina àry ny Ran’i Kristy izay nalatsany ho anao .
Fanontaniana:
Midika inona aminao ny fanolorantenan’i Kristy Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM