Matio 6.1-18

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Desambra 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 6.1-18
1 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny fiantrana] 2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, 4 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. 5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. 9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao et? an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. 12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. 15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. 16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao, 18 mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

Matio 6.1-18

Ny  fiainam-panahin’ny  mponin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia miainga avy ao anaty vao miseho  amin’ny ety ivelany .

1-Ny fiantrana :

Ny  fiantrana (and2) dia milaza  fahatsaram-po  atao  amin’ny mpiara-belona  amin’ny maha-olombelona  ary natao  ho fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra . Andriamanitra no mahita ny antony  hanaovana izany  sy hamaly  fitia izany .

2-Ny  vavaka ho an’ny tena manokana (and 5-8)

Ny tena  vavaka dia fiainana velona ao anaty  tsiambaratelo sy miafina ao anaty  efirano mangina tsy  voaterin’ny fombafomba sy ny faharetana fa ao anaty  fo mahitsy  sady tsotra . Tsy ny resabe  na ny halavan’ny vavaka no mampahomby  ny vavaka fa ny fiombonam-po  amam-panahy  , toy ny fo matoky mamboraka amin-dRay.

3-Vavaka fiainana na
modely (and9-13)

Misy  fangatahana fito ao : ny telo  dia momba an’ Andriamanitra ary ny efatra dia mahakasika ny filan’ny mpino  . Vavaky ny zanaka vokatry  ny finoana an’i Jesoa Kristy izay mampianatra mivavaka io  . Misy  ny asa voatsinjara ao anatin’ny vavaka dia ny manandrify  amin’ Andriamanitra sy ny asa miandry izay manonona ny vavaka.

4-Fifadiankanina
(and16-18)

Ny vavaka fifadian-kanina dia mariky  ny fanetretena sy fibebahana . Fanehoana fiankinana feno  amin’ Andriamanitra izay loharanon’ny fahavelomana sy tena  hery mampatanjaka . Araka ny and 18 dia mitondra  mandrakariva ho amin’ny  fitahiana izany

« Raiso ny
Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6