Matahora an’Andriamanitra ka :

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Septambra 2020

DEOTERONOMIA 10.12-22

DEOTERONOMIA 10.12-22
12 [Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo. 20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao. 21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao. 22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.

Matahora an’Andriamanitra ka :

1-Halalino ny fifandraisana Aminy

Maromaro ireo toromarika ambara eto ho fanatsarana ny fifandraisana amin’ny Tompo : mandeha amin’ny làlany rehetra , tia Azy , manompo Azy amin’ny fo rehetra , mitandrina ny didiny . Araka izany , dia tsy afaka mandeha ho azy amin’izao fotsiny ny fahatahorana an’ Andriamanitra , fa arahana asa . Azo ambara fa tsy matahotra ny Tompo ny olona iray rehefa ny mifanohitra amin’ireo no tsinjo eo aminy . Tsy tena tia Azy amin’ny fo sy fanahy fa zara fa manompo Azy . Ho anao àry , hevero ny làlanao , diniho ka matahora an’Andriamanitra.

2-Mianara Aminy

Ilay toetran’ Andriamanitra izay tsy mizaha tavan’olona , manome rariny ny kamboty sy ny mpitondra tena sady tia vahiny ka manome azy hanina sy fitahiana , dia sitrany ho toetrantsika ihany koa. Amin’izao fotoana izao dia tsy vitsy ireo ankohonana izay marisarisa amin’ny fandraisam-bahiny . Indrisy fa na eo amin’ny sehatry ny fanompoana sy ny fivoriana samihafa dia zary ifanilihana ny mandray fivoriana . Fantaro fa tsy mba toy ny mpitari-bato vilam-bava ny Tompo ka hafa no tondroin’ny tànany ary hafa no tondroin’ny vavany . Manamafy izany amintsika i Jesoa , hoy Izy hoe: « Ento ny ziogako ka mianara Amiko » (Mat 11.29)

Fanontaniana:

Inona avy ireo toetra mampiavaka ny olona matahotra an’Andriamanitra fantatrao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM