Mat 28 : 11-15
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Septambra 2018
Sahia manohitra ny kolikoly izay mandiso ny tantara
Matio 28,11 - 15
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho. 12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila 13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay; 14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. 15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.Mat 28 : 11-15
Efa maty ary nitsangana tamin’ny maty ny Tompo Jesoa , hany ka very hevitra tanteraka ireo mpanohitra , sy mpanaratsy satria anjely mihitsy no nilaza sy nanambara ny zava-misy ary tsy maintsy nanao tatitra tany amin’ny lohan’ny mpisorona. Ireto farany kosa anefa dia nanao kolikoly ka
1-Kolikoly mampanota ny maro (and 11-13)
Rehefa tratra fa mpandainga sy diso ireto lohandohan’ny Mpisorona ireto rehefa nilaza fa mpisandoka sy mpisoloky ary mpandainga i Jesoa, ary tsy hitsangana mandrakizay amin’ny maty izany iny, dia very hevitra izy ireo, rehefa tonga ny tatitra. Ny hitany ho vaha-olana dia ny mandainga, ka tsy ny tenin’izy ireo ihany no latsaka tao anatin’izany fandrika izany fa nomeny volabe koa ny miaramila, mba hiaraka manota amin’izy ireo .Koa ialao lavitra ny fahotana, tsy ny an’ny tenanao ihany, fa ny hitarika ny maro amin’izany koa dia ialao.Fa ialana ihany koa ny
2- Kolikoly mandiso ny tantara (and 14-15 )
Tena nodisoin’ireto olona ireto hatramin’ny tantara raha nilaza fa nangalarin’ny olona ny fatin’I Jesoa. Ary izany fandisoana ny tantara izany koa no fakampanahy ho an’ny olona sasany eo akaikin’izao fifidianana ho Filohampirenena , ao anatin’ny fampielezankevitra izao.
Hafatra ampitaina:
R. Ndrianja, Mpitandrina,
Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM