Manova ny tantaranao ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Aprily 2023

ISAIA 60.1-7

ISAIA 60.1-7
1 [Ny ho voninahitr'i Jerosalema amin'ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. 2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny. 3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao. 4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina. 5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena. 6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany. 7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.

Manova ny tantaranao ny Tompo

1-Mitsangàna

« Mitsangàna » . Baiko mazava no omen’ny Tompo ho an’i Jerosalema izany . Efa lasa ny andro izay tsy nahafahana mihetsika ,nanjakazakan’ny fahavalo.Miroso ny dia ka tsy maintsy mifoha aloha , mitsangàna avy eo ary mirosoa amin’ny làlana izay soritan’ny Tompo .Koa mitsangàna!

2-Mihazavà !

Efa ao amin’ny mazava ianao izao . Mandidy anao ny Tompo mba hamirapiratra hatrany .Aza atao any ambany vata famarana ny jironao fa areheto ary sahia mijoro ho fanasina sy fahazavan ‘izao tontolo izao hatrany .

3-Tonga ny fahazavanao

Tsy fahazavana mbola andrasana fa efa tonga no ambara eto : Jesoa Kristy Tompo no fahazavanao sy fahazavan’izao tontolo izao .Izy no manafaka ny aizina amin’ny endriny rehetra .Fahazavana iainana sy ijoroana andavanandro izany .

4-Ny voninahitr’i Jehovah miposaka aminao

Aoka ho fitaovana mahomby eo am-pelatànan’ny Tompo ianao amin’izay ataonao .Fantaro fa maneho ny voninahiny amin’ny alalanao ny Tompo . Izay rehetra ataonao dia aoka ho fanehoana ny Voninahitr’Andriamanitra irery ihany .

5-Hirotsaka aminao ny fitahiana

« Fa hoentina ho anao ny haren’ny ranomasina » (and5d) . Ankoatry ny fiainana mandrakizay izay omanin’ny Tompo antsika dia manomana ho avy mamirapiratra ho anao dieny izao sahady izy (Deo 28.1-14) . Azy ny tany sy izay rehetra ao aminy . Finoana arahana asa no takiany aminao .

Fanontaniana :

Inona no hafatry ny Tompo ambarany aminao anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM