Manorohevitra antsika ny Apostoly  Petera hoe: “Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra “

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Oktobra 2022

1 PETERA 4.7-11

1 PETERA 4.7-11
7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana. 8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) 9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra. 11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,

 Manoro  hevitra antsika ny Apostoly  Petera hoe: “Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra “ (and7) koa :

1-Hendre ka mahonona tena (and 7b)

 Anarin’I Petera  ny mino eto mba ho hendry , izany hoe: tsy hiverina amin’ny fanaranam-po intsony  fa “ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny Jentilisa tamin’ny nadehanana tamin’ny fijejojejoana  sy ny fanirian-dratsy  sy ny fimamoana ny sy filalaovan-dratsy  sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy  izay fady indrindra” (and3) .Ny  fahalalantsika fa ho avy  tsy ho ela I Jesoa   dia manery antsika  hiaina ny fahamasinana fa tsy hiverina  hivary lavo  amin’ny fahotana indray fa ny “kisoavavy efa  nisasa dia miverina mihosom-potaka indray” (2 Petera 2.22) ary koa” amin’izao sisa izao , aza manota intsony “ (Jao 5.14) hoy I Jesoa .

2- Mifankatiava tsara (and8)

Tsy hoe : mitiava tsara na koa hoe : miandrasa hotiavina  fa amin’ny endrika mifanao , izany hoe: ny mpino rehetra dia samy tokony hahay maneho fitiavana avy , tsy hifankahala fa izao tontolo izao  aza mahay miombona sy mifanampy  mainka fa ny Kristiana ? Baikon’I Jesoa  amintsika rahateo izany hoe : “Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo” ( Jao 13.34) .Atsaharo  hatreo  ny fankahala sy ny forongony .

3-Mifanompoa (and10)

 “Araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo”.Midika izany fa na iza na iza  dia samy manana fanomezam-pahasoavana , tsy misy tsara sy ratsy ary tsy voatery, fa  ny zava-dehibe  dia izay ananana no entina mifanompo , tsy misy araka izany na iza na iza ka tokony hotompoina fotsiny .

Fanontaniana :

Tokony ho olona manao ahoana isika eo anatrehan’ny fahatomotry ny fiafaran’ny zavatra rehetra ?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM