Manorina ny fanekeny ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Martsa 2024

Jaona 3. 16-21

Jaona 3. 16-21
16 Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] 18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] 19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.

Manorina ny fanekeny ny Tompo

<<Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay >> and.16

Toy izao no nitiavany: ny mitia eto dia midika hoe mandray an-tanana. Ary dia noraisiny an-tanana tokoa ny fiainantsika tamin’ny nanolorany ny zanany (lsa. 45.11)

Izao tontolo izao: misy heviny roa raha kely indrindra. Izay milaza ity tany iainantsika ity sy izay rehetra eo aminy ary milaza ihany koa ireo voagejan’ilay ratsy (Jao. 17.16). Nirahiny ny Zanany mba ho fiainana ho an’ny olona rehetra ary indrindra ho an’ireo voageja.

Nomeny: nafoiny sy natolony tamim-pitiavana. Natolony hahatanteraka ny fanehoam-pitiavana. Natolony ho fanatitra noho ny ota.

Tsy ho very: tsy ho voaheloka fa handray ny fanavotana

Mino: ireo mahazo antoka fa i Jesoa zanak’Andriamanitra no hany mpamonjy ka manolo-tena sy feno fankatoavana ary feno fahatokiana.

Raha ny marina dia efa tapa-kevitra ny hamonjy antsika Andriamanitra fa miandry ny fanapahan-kevitra avy amintsika sisa.

Fanontaniana:

Inona avy no mbola manakana anao tsy handray Azy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe