Manorina ny fanekeny ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Martsa 2024
Marka 15. 16-28
Marka 15. 16-28
16 Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova*, sady nanangona ny miaramila namany rehetra. 17 Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany. 18 Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! 19 Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. 20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy. 21 Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy. 22 Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha. 23 Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy. 24 Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. 25 Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana. 26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY. 27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany. 28 *[*Ampio hoe: 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isa. 53. 12)]Manorina ny fanekeny ny Tompo
Zavatra roa no natrehin’ny Tompo tamin’ity andro manjombona ity mba hitondrany hazavana ho antsika:
1. Ny miaramila:
Nataon’ireo miaramila ho fanalana hamohamo ny Tompo. Notafiany lamba volomparasy sy nosatrohany satro-tsilo ary noarahabainy hoe: « arahaba ry Mpanjakan’ny Jiosy ». Misy amintsika mahafantatra fa i Jesoa no Mpanjaka te hanjaka amin’ny fiainantsika saingy toa vazivaziantsika izany. Am-bava fotsiny no andraisantsika izany fa tsy latsa-paka anaty fo akory. Tsarovy fa niaritra ireo zavatra ireo Izy mba hahatanteraka ny famonjena antsika. Aza manao toy ireo miaramila manao tsinotsinona ny Mpanjakantsika fa ekeo Izy.
2. Ny hazo fijaliana :
Toe-javatra ratsy sy maha-menatra izany hoe mifantsika amin’ny hazo fijaliana. Izany anefa no tsy maintsy natao an’i Jesoa, nanampy trotraka izany ny kapoka sy ny fampijaliana natao Taminy. Tena tsy maintsy nolalovany izany satria raha tsy nandalo izany izy dia tsy ho tonga toeram-pamonjena izany hazo fijaliana izany. Aoka isika hankamamy izany hazo fijaliana izany satria teo no nanolorany ny Tenany ho famonjena antsika. Tonga toerana ahafahantsika mametraka ny fahotantsika izany. Tonga reharehantsika mihitsy aza. « Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika… » (Gal. 6.14)
Fanontaniana:
Inona no toe-javatra fantatrao mampiavaka ny Zoma Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe