Manorina ny fanekeny ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Martsa 2024
2 Korintiana 13.1-4
2 Korintiana 13.1-4
1 Izao no fanintelon'ny hankanesako at? aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15). 2 Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra, 3 satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa. 4 Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.Manorina ny fanekeny ny Tompo
<< Fa voahombo tamin’ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra >> and.4
VOAHOMBO – FAHALEΜΕΝΑ:
Voahombo noho ny fahalemena Izy. Fahelemen’iza? Noho ny fahalementsika ve? Tena fahelementsika olombelona ny fahalavoana. Avy amin’ny vovo-tany isika ka mora lavon’ny fandriky ny tany. Ka ho famonjena antsika amin’ny fahalemena no nanombohona Azy tamin’izany Noho ny fahalemeny ve? Tena fahalemeny tokoa ny nanekeny ny hitondra ny fahotantsika. Fa raha tsy izany dia mbola very isika hatramin’izany.
VELONA – HERY :
Na dia fahafatesana aza no tanjon’ny fahavalo ny amin’ny hazo fijaliana dia resin’ny fahaveloman’ny Tompo izany noho ny herin’Andriamanitra. Na dia lavon’ny fahalemena aza isika dia tsarovy fa efa nentin’ny Tompo tany amin’ny fahafatesany izany mba hahavelomantsika ao amin’ny Herin’Andriamanitra. Fanapahan-kevitra: Asa lehibe sy feno fitiavana no nataon’ny Tompo ho antsika koa amin’izao sabotsy Masina izao dia aoka handini-tena isika
Fanontaniana:
Inona avy no mbola mamatotra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe