Manorina ny fanekeny Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Febroary 2017
VAVOLOMBELON 'NY FANEKENY NY TOMPO
Genesisy 9.8-17
8 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: 9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo 10 sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra. 11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony. 12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby: 13 Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany. 14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana, 15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony. 16 Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.Manorina ny fanekeny Andriamanitra
1- Fanekem-pihavanana amin’izay mino Azy
2-Fanekena amin’ny taranaka fara mandimby
Hoy ny Tompo : »Indro Izaho manorina ny fanekeko aminareo sy ny taranakareo mandimby anareo… »Rehefa manao izay mahitsy eo imason’ Andriamanitra isika , ka mandeha araka ny sitrapony , dia hahazo fitahiana hatramin’ny taranaka fara mandimby (and12). Manao fanekena Izy fa tsy hamela antsika ho amin’ny fandringanana sy faharavana. Hahatratra ny zavamananaina rehetra sy ny tany rehetra ny fanekempihavanana . Raha ny fanekena nataon’ Andriamanitra no heverina dia hahatsapa isika fa ny fahotana sy ny fitiavantena tafahoatran’ny olona no manimba ny tontolo iainana ka mahalany tamingana ny biby sy ny zavamananaina .
Fanontaniana:
Efa vita fihavanana amin’ Andriamanitra ve ianao ka nanaovany fanekena?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM