Manome fiainana miavaka ho anao ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 18 Jona 2024
Salamo 91-1-13
Salamo 91,1 - 13
1 [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. 2 Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. 3 Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. 4 Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. 5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, 6 Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. 7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany 8 Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. 9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, 10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. 11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. 12 Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.Manome fiainana miavaka ho anao ny Tompo
1- Mampitoetra anao amin’ny fiadanana
Toerana iray miavaka no ambaran’ny Salamo eto hoe « eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha». Tsaroan’ny mpanoratra amin’izany fa ny fatokiana ny Tompo no hahafahany mitoetra amin’izany. Toerana tsy azon’ny fahavalo idirana satria toerana maneho ny fanatrehana sy ny herin’ Andriamanitra. Voalaza eo amin’ny and.7-10 fa tsy hisy na inona na inona hanjo ny mpanompony afa-tsy izay avelan Andriamanitra hitranga ihany.
Tian’ny Tompo hitoerantsika ihany koa izany toerana izany. mba ahafahantsika misitraka izany dia ny fankatoavantsika ny Teniny ihany (vakio Deo. 28.1-2)
2- Mampitoetra anao anaty fiarovany
(and.11). Irahin’ Andriamanitra ny anjely mba hiambina tsara ny olona. Ny filazana ny momba ny anjely dia mariky ny fandraisana sy ny fiahian’Andriamanitra ny olona ary milaza fankasitrahana ihany koa satria mampahery sy mampijoro antsika, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra rehetra atrehantsika. (and.12). Mampatsiahy izany izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: (Sal 34.7)
Fanontaniana:
Inona avy no ahafahana misitraka fiainana ao Aminy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe