Manolotra ny fiainany ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Amosa 5.4-7
4 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; 5 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona. 6 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo, 7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Amosa 5.4-7

Izay te-hahazo fiainana sy fahavelomana

 1-Ny fombafombam-pivavahana fotsiny

Mila averina amin’ny fahitsiana ny  fanompoana hatao ao Betela sy Gilgala , renivohitry ny fivavahan’ireo Zanak’ Israely . Tsy sitrak’Andriamanitra  mihitsy mantsy ny fivoriana  haroharoana faharatsiana (and21-22). Miankina tanteraka amin’ny fiverenana amin’ Andriamanitra ny fanasitranana  ny tany  voafidin’ Andriamanitra . Tsy miankina amin’ny toerana   maha-velona sy akaiky an’ Andriamanitra, fa  ny toe-po entina mitady Azy  marina. Andriamanitra tsy voafaritry ny toerana mantsy Izy , fa  Mpahary ambonin’izao  rehetra izao.

2-Katsaho  ny rariny  sy ny  marina 

Vanimpotoana nanjakan’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana ny andron’i Amosa mpaminany . Nanjaka ny  tsindry hazo lena , ny kely  tsy mba mamindro ary ny tsindrio fa lavo sy  izay  toy izany (and11,12). Antony lehibe nandringanan’ Andriamanitra  ny vahoaka izany . Koa izany  no iantsoana azy  ireo hiala  amin’izany . Andriamanitry ny fahamarinana ny Andriamanitry ny Baiboly. Koa miantso miantso ny mpanara-dia azy hikatsaka izany  ho fototry  ny fahavelomana marina tokoa.Amin’izao  fotoanan’ny tsy fahamarinana  izao dia miantso  ny zanaky ny fiangonana manana andraikitra  rehetra  eto  amin’ny  firenena  hampanjaka marina ny rariny  sy ny hitsiny  .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM